mercredi 2 septembre 2020

FANOSORONA NY MPANJAKA RABARIOELINA Ndriana (Taona 2015)

 "... SAMBATRA IANAO, RY TANY, RAHA NY MPANJAKA LAHY DIA ZANAK'ANDRIANA...".


NY SAOTRA, NY VONINAHITRA, NY FAHENDRENA, NY LAZA, NY HERY, NY HAJA, ary NY TANJAKA, HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY

satria vita soamantsara NY FANOSORON' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY, araka ireo TENY FIKASAN' ANDRIAMANITRA FITO, ho an' 


Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

Andriandahy, Andriandray Andriandreny,

araka ny Hafatr'ireo Razambe Ny Masina Mpanjaka ANDRIANTOMARA (1000 AD), Ny Masina Mpanjaka ANDRIANERINERINA Lahimatoan'Imerina (1280-1300 AD) ary Ny Masina Mpanjaka RALAMBO (1575-1600 AD) avy ao Avaradrano Zokin'Imerina,


avy amin' Ny Masina Mpanjaka ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA Lahimatoan'Imerina, Tompon'ny Tranomanara sy Tranofohiloha ary Tranomasina, sy avy amin'ny Masina Mpanjaka ANDRIANJAKA izay nanorina ny Rova Antananarivo,


Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,

Lehiben'ny Fiombonamben'ny Ampanjaka eto Madagasikara,


izay nataon' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY teo anatrehan'ireo ZANAKANDRIANA nasaina manokana tao amin'ny ROVA AMBOHIDRABIBY HASIN'IMERINA.


Nisy DINGANA FITO no nampanaovin' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY azy nandritra ny FITO TAONA mahery.


Marika ny FANATREHANA ny FANKATOAVANA sy ny FANKASITRAHANA ary ny TSODRANO nataon'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY Ilay FAHAZAVANA LEHIBE nidina avy any an-danitra tamin'izany teo amin' ny ROVA AMBOHIDRABIBY HASIN' IMERINA ary tonga teo aminy ary naharitra ela. 


FAHAZAVANA avo folo heny noho ny fahazavan' ilay masoandro niposaka avy any Atsinanana tamin' io fotoana io.


Marihina fa Ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA dia efa nihaona tamin' ny MPANJAKA VAHINY mihoatra ny zato tany amin' ny firenena vahiny roambinifolo.


"... MITSANGANA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO ARY NY VONINAHITR'ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO..." (Isaiah 60 :1).


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


DIA HO AN'ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA, MANDRAKIZAY HO MANDRAKIZAY !


Ambohidrabiby Hasin'Imerina, Vohitra masina, Septambra 2015.

lundi 20 janvier 2014

TANTARAN' I MADAGASIKARA: NY ZANADRALAMBO:


TANTARAN' MADAGASIKARA: NY ZANADRALAMBO :

Ny Mpanjaka RALAMBO (1575-1600) dia teraka tao Ambohibaoladina Andrefan'Ambohimalazabe. Izy dia zanaky ny Mpanjaka ANDRIAMANELO
 (1550-1575) nanjaka tao Alasora sy Ny Andriambavy IMAINTSOANALA izay nantsoina koa hoe RANDAPAVOLA taty aoriana, izay zanaka vavimatoan' ny Mpanjaka RABIBY tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina.


Ny Mpanjaka RALAMBO, taranak'Abrahama, Izaka ary Jakoba, dia nanjaka teto Imerina tamin' ny Taon-jato faha-16 sy faha-17 taorin' Jesosy Kristy (1575-1600), ary izy dia nanitatra ny Fanjakana Merina izay nolovainy tamin'ireo razambeny, ary namorona ny Fanjakan'Imerina Roa Toko. Ny Vohitra Masina Alasora no renivohitry ny fanjakany voalohany. Avy eo izy dia nifindra monina nianavaratra tao Ambohidray-Ambohimalaza, renivohitra faharoa ny fanjakany. Ary avy eo dia mbola nifindra monina fanin-telony nianavaratra tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina, izay renivohitra fahatelo ny Fanjakany, izay lasa renivohitry ny Fanjakan'Imerina Roa Toko.


Ny Mpanjaka RALAMBO dia nanambady Andriambavy maro:

1) Ny Andriambavy RABEHAVINA no vadiny voalohany, izay zanaky ny Mpanjaka ANDRIAMAMILAZABE I tao Ambatomanitrasina sy ny Andriambavy RAMANENTOHENTO, ary ireto ny Zanakandriana naterany :

- RAVAOMASINA tao Ambohimasina-Ambohimalaza ary nafenina ao Ambatomangakely-Ambohimalaza rehefa niamboho.
- ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN'IMERINA, izay nanjaka tao Ambohimalazabe ka hatrany Sambaina Manjakandriana sy Anerindrano Ambatomanga.


2) Ny Andriambavy RATSITOHINIMANJAKANALONDRANO no vady faharoa an' ny Mpanjaka RALAMBO. Ary ireto avy no Zanakandriana nateraky ny Mpanjaka RALAMBO (1575-1600) ary nifanambady ny tarànany, izay ao anaty ny sokajin'andriana Zanadralambo amin'Andrianjaka taty aoriana:

- ANDRIAMPOLOFANTSY tao Antsomangy sy Ambohitrantenaina.
- ANDRIANJAKA ao Ambalanirana sy Antananarivo ary Vonizongo.
- ANDRIAMASOANDRO ao Manandriana Avaradrano.
- ANDRIANTOMPOMBE ao Ambatofotsy Avaradrano.


3) Ny Andriambavy RAFOTSINDRINDRAMANJAKA no vady fahatelon' ny Mpanjaka RALAMBO. Ary ireto no Zanakandriana naterany: 
- ANDRIANTOMPOMANJAKA ao Andranovelona, Avaradrano,
- ANDRIAMPONTANY ao Isoavinimerina, Avaradrano,
- RAFIDY ao Ambohidrano-Atsinanana, Avaradrano,
- ANDRIANTSINOMPO ao Ankadindravololona, Avaradrano.
- ANDRIANIMPITO, izay nanambady Taranak' ANDRIANAMBONINOLONA.
- ANDRIAMANEFORALAMBO ao Ankobakobaka na Ankorombe sy ao Ankoronkely.
- ANDRIANAKOTRINA ao Ambohimahatsinjo, andrefan' Ambohimalaza.


3) Ny Andriambavy RATOMPONIVOLOLONA izay niteraka an' :

- RAMBAVY, izay lasa vadin' Ny Andriana ANDRIANKAFAZAKA Taranak' ANDRIANAMBONINOLONA, ary napetrany ao Masindray, Ivakinisisaony.


4) Ny Andriambavy RAFOTSIALOHANANDRIANA izay niteraka an'

- ANDRIANTOMPOMPANJAKANA ao Ambodifahitra.


5) Misy koa Ny Andriana RAONDRIANA, Taranaka avy amin'ANDRIANJAKA, avy amin' ANDRIAMANJAKATOKANA ao Ambohitrinimanjaka, izay nipoiran' ny Zanadraondriana ao Mangabe Masinandriana, Ambodirano.



6) Misy koa Andriana havana akaikin' ny Mpanjaka RALAMBO izay natao ho sokajin'andriana Zanadralambo, ankoatra ireo voalaza ireo dia ny :

- Zanak' ANDRIAMANGARIRA sasany ao Antsahadinta, avy amin'Andriandambozozoro,
- RAVOLOLONDRALAMBO, avy ao Ambohimanambola.


Maro ny fianakaviana Andriana tamin' ny andron' ny Mpanjaka RALAMBO teto Imerina, fa ireto avy no nahazo tso-drano avy amin' ny Mpanjaka Ralambo amin' ny sokajin'andriana afaka manjaka na loharanon'Andriamanjaka, ary tsy azo hovaina mihitsy. Fa izay manova izany dia voaozona. 

Marihina koa fa ny Andriandahy irery ihany no mahazo manjaka araka ny hafatry ny Mpanjaka razambe tany aloha be dia Ny Mpanjaka ANDRIANTOMARA (1000 AD), ary nohamafisin' Ny Mpanjaka ANDRIANERINERINA Lahimatoan'Imerina (1260-1300 AD) :


1) Ny ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA.
2) Ny ZANADRALAMBO.
3) Ny ANDRIANAMBONINOLONA.
4) Ny ANDRIANDRANANDO.


Ankoatra ireo Zanakandriana nateraky ny Mpanjaka RALAMBO sy ireo havany andriana akaiky, izay nataony ao anatin' ny sokajin'andriana Zanadralambo, dia nisy koa ny sokajin'andriana atao hoe:

- Ny ANDRIANAMBONINOLONA avy amin' ny dadatoany ANDRIANAMBONINOLONA, zanaky Ny Andriana ANDRIAMANANINTANY ao Ambohitrandriananahary, zandrin' ny Mpanjaka ANDRIAMANELO (1540-1575), sy ny Andriambavy RANDRANOMBOAHANGY zanaka vaviaivon' ny Mpanjaka Rabiby tao Ambohidrabiby Hasin'Imerina.


- Ao koa ny sokajin'andriana atao hoe Ny ANDRIANDRANANDO, izay Zanakandriana avy amin' ANDRIANDRANANDO, zanaka faralahin' ny Mpanjaka ANDRIAMAMILAZABE I tao Ambatomanitrasina sy Ny Andriambavy RAMANENTOHENTO. Izy ireo no tompon'Ambohimailala sy Ambohibe ary Ambohipotsy. Ny Andriana Andriandranandobe tao Andapamasina-Ambohimailala dia nanambady Ny Andriambavy RASOAVIMBAHOAKA, anabavin' ny Mpanjaka ANDRIAMANELO, ary nanamafy tamin' ny vy manidina ny Fanjakan' ny Mpanjaka ANDRIAMANELO tao Alasora.


Ankoatra izany dia nomen' ny Mpanjaka RALAMBO (1575-1600) an' ireo Zanakandriana naterany sy natsangany mba honenana ny Fanjakan'Imerina Roa Toko, manomboka an' ny Faritra Ambohidrabiby Hasin'Imerina any Avaratra, Faritra Ambohimalaza any Atsinanana, Faritra Alasora any Atsimo, ary hatrany amin' ny Faritra Vonizongo, Babay sy Lohavohitra any Avaratra-Andrefana.


Manaraka izany, araka ny Tso-drano nataon' ny Mpanjaka RALAMBO (1575-1600) dia tsy maintsy Andriandahy, Andriandray Andriandreny, Zanakandriana, avy amin'ny Taranaka mivantana Ny ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA LAHIMATOAN'IMERINA Lahimatoan'Imerina,  Tompon'ny Tranomanara sy Tranofohiloha ary Tranomasina, sy Ny ZANADRALAMBO AMIN'ANDRIANJAKA mivantana, avy ao Avaradrano Zokin'Imerina, ny mpanjaka lahy mandimby fanjakana rehetra. Fa izay tsy manaja izany dia voaozona.


Farany, ny hafatry ny razambe mpanjaka, efa an-jato maro, talohan' ny Mpanjaka RALAMBO (1575-1600), dia ny fanjakan' ny tarànany eto Madagasikara Tany Masina, araka ny Tso-drano nataon'Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, Ilay Avo Indrindra, tamin'ny razambeny efa taon-jato maro talohan'i Jesosy Kristy, mba hampilamina ny tany sy ny fanjakana ary hiadanan' ny vahoaka.



Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben'ny Fianakaviamben'ny Andriana Merina,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.



(c) copyright.